<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><hymn_number>1</hymn_number>
<title>Mitsangana ianao ry mino FF1</title>
<lyrics>[V1]
 Mitsangàna ianao ry mino
 Fa ilain' ny taninao
 Ny finoanao ifikiro
 Mivonòna ianao
 Ny ady anatrehanao tsy mora
 Tena sarotra tokoa
 Nefa toy ' lay tao Edoma
 'Lay mahery momba anao.

[C1]
   Mbola ho avy ny maraina
   ('lay maraina)
   'Zay mitondra hery vao
   Ry mpiambina miarena
   Ka ingao ny zovinao
   Ambarao fa ny aizina
   Indro efa lasa re
   Efa tonga ny maraina
   Hisy hazavana be.

[V2]
 Raha sendra ady mafy
 Mila handreraka ny fo
 Dia tsarovy fa mihafy
 Vao hahita ny soa
 Raha tafita ianao
 Hisy hazavana be
 Ny aizin-kitroka ho lao
 Tapi-dàlana haleha.
 Mbola ho avy ny maraina sns...

[V3]
 Fahafahana doria
 Tsisy tambiny aminao
 No omen' ny Tompo tia
 Raha tahiana ianao
 Ho fanilo mandramaty
 Ho mpitantana ny dia
 'Lay finoana ao anaty
 Homba anao doria doria.
 Mbola ho avy ny maraina sns...</lyrics>
</song>